I. Masina ny Anaran’ny Tompo

Laharana 2145 amin’ny Katesizy

Tsy maintsy mijoro vavolombelon’ny Anaran’ny Tompo ny mpino, amin’ ny fanambaràny ampahibemaso ny finoany tsy hanaiky ho resin-tahotra[70]. Ny asan’ny fitorian-teny sy ny asan’ny katesezy dia tokony ho heniky ny fitsaohana sy ny fanajana ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Loharano ôfisialy ↗