Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1106 Ny Fanahy Masina no mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny misterin’i Kristy Ny votoatin’ny fankalazana atao amin’ny sakramenta tsirairay, indrindra ny Eokaristia, dia ny “Epikilezy”, miaraka amin’ny “Anaminezy” : Manontany ianao hoe : ahoana no ahatongavan’ny mofo ho Vatan’i Kristy, sy ny divay (…) …
  2. 1107 Ny Fanahy Masina no mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny misterin’i Kristy Manafaingana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahatanterahan’ny misterim-pamonjena, ny herim-panavaozan’ny Fanahy Masina amin’ny litorzia. Eo am-piandrasana sy ao anatin’ny fanantenana no mahatonga antsika manatanteraka mialoha marina tokoa ny fiombonana manontolo amin’ny Trinite …
  3. 1108 Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina Ny fiafaran’ny fanirahana ny Fanahy Masina ao amin’ny asa litorzika manontolo dia ny mampiray antsika amin’i Kristy mba handrafitra ny Vatany. Ny Fanahy Masina no toy ny ranon-kazon’ny Foto-boaloboky ny Ray izay …
  4. 1109 Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina Ny “Epikilezy” koa dia vavaka ho amin’ny vokatra feno fatra amin’ny firaisan’ny mpiangona ao amin’ny misterin’i Kristy. “Ny fahasoavan’i Jesoa-Kristy Tompontsika, ny fitiavan’Andriamanitra Ray ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina” (2 Kôr …
  5. 1110 Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina Amin’ny litorzian’ny Fiangonana, Andriamanitra Ray no isaorana sy tsaohina ho loharanon’ny tsodrano rehetra amin’ny fahariana sy ny famonjena, izay anasoavany antsika ao amin’ny Zanany, mba hanomezana antsika ny Fanahim-pananganan-janaka.
  6. 1111 Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina Ny tsanganasan’i Kristy amin’ny litorzia dia ara-tsakramenta satria ny misterim-pamonjeny dia misy ao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny Masina; satria ny Vatany, izay tsy inona fa ny Fiangonana, dia toy ny sakramenta (famantarana …
  7. 1112 Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina .Ny andraikitry ny Fanahy Masina ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana dia ny manomana ny mpiangona hihaona amin’i Kristy ; ny mampahatsiaro ny momba an’i Kristy sy ny maneho Azy amin’ny finoan’ ny mpiangona …
  8. 1113 ANDALANA 2 Ny misterin’ny Paka ao amin’ny sakramentan’ny Fiangonana Ny fiainana litorzika rehetra iainan’ny Fiangonana dia miompana amin’ny Soron’ny Eokaristia sy ireo sakramenta [21] . Misy fito ny sakramenta ao amin’ny Fiangonana : ny Batemy, ny Fankaherezana na Fanosorana masina, ny …
  9. 1114 I. Ny sakramentan’i Kristy “Miraiki-po amin’ny fitambaram-pampianaran’ny Soratra Masina, amin’ ny lovam-panahy apôstôlika (…) ary amin’ny hevitra iraisan’ny Aba” [23] isika, ka manambara ampahibemaso fa “ireo sakramentan’ny Lalàna vaovao dia naorin’i Jesoa-Kristy Tompontsika daholo” [24] .
  10. 1115 I. Ny sakramentan’i Kristy Ny teny sy ny asan’i Jesoa nandritra ny fiainany miafina sy ny raharaham-pamonjeny ampahibemaso dia efa ahazoam-pamonjena sahady. Nialoha ny herin’ny misterin’ny Pakany izy ireny. Nilaza sy nanomana izay homeny ny Fiangonana …
  11. 1116 I. Ny sakramentan’i Kristy Ny sakramenta, “hery izay mivoaka” avy amin’ny Vatan’i Kristy [26] , velona sy mamelombelon’aina lalandava, asan’ny Fanahy Masina am-perinasa ao amin’ny Vatany izay tsy inona fa ny Fiangonana, no “sangan’asan’ Andriamanitra” ao …
  12. 1117 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana Amin’ny alalan’ny Fanahy izay mitari-dalana azy “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13), ny Fiangonana dia nahafantatra tsikelikely io harena sarobidy noraisina avy amin’i Kristy io ary nanoritra mazava ny “fizarazarana” ny amin’izany, toy …
  13. 1118 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana “An’ny Fiangonana” ireo sakramenta ireo, araka izao heviny mandray roa maha-izy azy izao : “amin’ny alalany” sy “ho azy”. “Amin’ny alalan’ny Fiangonana”, satria ny Fiangonana no sakramentan’ny asan’i Kristy miasa ao aminy …
  14. 1119 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana Amin’ny fiforonana miaraka amin’i Kristy-Loha “ho olona mistika tokana aman-tany” [29] , ny Fiangonana dia miasa ao amin’ireo sakramenta ho “ankohonana mpisorona”, “voarindra ara-drafitra” [30] : amin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana, …
  15. 1120 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana Ny andraiki-panompoana masina na ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra [32] dia fanompoana avy amin’ny maha-mpisorona tamin’ny Batemy. Izy no miantoka, ao amin’ny sakramenta, fa i Kristy mihitsy no miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina …
  16. 1121 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana Ireo sakramenta telo : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Filaharana masina, ampian’ny fahasoavana, dia mampisy marika manokana ara-tsakramenta na “fitomboka” izay andraisan’ny kristianina anjara amin’ny maha-mpisorona an’i Kristy sy mahatonga azy …
  17. 1122 III. Ny sakramentan’ny finoana Naniraka ny apôstôliny i Kristy mba ho “amin’ny anarany no hitorian’izy ireo amin’ny firenen-drehetra ny fibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 24,47). “Ataovy tonga mpianatro ny firenen-drehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny …
  18. 1123 III. Ny sakramentan’ny finoana “Ny zava-kendrena amin’ny sakramenta dia ny hanamasina ny olombelona, ny handrafitra ny Vatan’i Kristy, ary farany, ny hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ; kanefa, amin’ny maha-famantarana azy ireny, dia manana anjara asa amin’ny …
  19. 1124 III. Ny sakramentan’ny finoana Ny finoan’ny Fiangonana no alohan’ny finoan’ny mpino, ka ny finoan’ ny Fiangonana no asaina ifikiran’ny mpino. Rahefa mankalaza ny sakramenta ny Fiangonana, dia manambara ampahibemaso ny finoana noraisina tamin’ny apôstôly. Avy amin’izany …
  20. 1125 III. Ny sakramentan’ny finoana Noho izany, tsy misy fombam-pivavahana ara-tsakramenta na dia iray aza azo ovàna na amboarina araka izay tian’ny mpandraharaha masina na ny ankohonam-piangonana. Na dia ny manam-pahefana fara tampony ao amin’ny Fiangonana aza …