III. Ny sakramentan’ny finoana
Laharana 1124 amin’ny Katesizy
Ny finoan’ny Fiangonana no alohan’ny finoan’ny mpino, ka ny finoan’ ny Fiangonana no asaina ifikiran’ny mpino. Rahefa mankalaza ny sakramenta ny Fiangonana, dia manambara ampahibemaso ny finoana noraisina tamin’ny apôstôly. Avy amin’izany ilay ohabolana tranainy hoe: “Lex orandi, lex credendi” (na: “Legem credendi lex statuat supplicandi”, araka ny voalazan’i Prosper d’Aquitaine[37] [taonjato faha-5]). Ny lalànan’ny fivavahana no lalànan’ny finoana, mino ny Fiangonana tahaka azy mivavaka. Ny litorzia dia singafototra iray maha-izy ny Lovam-pampianarana masina sy velona[38].