Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1406 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Hoy i Jesoa : “ Izaho no mofo velona, nidina avy any an-danitra. Izay hihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay (…). Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no …
  2. 1407 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Ny Eokaristia no foibe sy tampon’ny fiainan’ny Fiangonana, satria ao aminy i Kristy no mamondrona ny Fiangonany sy ny rantsambatany rehetra amin’ny sorom-piderany sy fisaorana natolony indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana …
  3. 1408 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Ny fankalazana ny Eokaristia dia mirakitra lalandava : ny fanambaràna ny Tenin’Andriamanitra, ny fisaorana an’Andriamanitra Ray noho ny soa maro be nataony, indrindra noho ny fanomezany ny Zanany, ny fanamasinana ny mofo …
  4. 1409 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy ny Eokaristia : izany hoe ny tsanganasam-pamonjena notontosaina tamin’ny fiainan’i Kristy, ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona, tsanganasam-pamonjena manjary eo amin’ny asa litorzika.
  5. 1410 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Ny Tenan’i Kristy mihitsy, Mpisorombe mandrakizay amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay miasa amin’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, no manolotra ny sorona eokaristika. Ary mbola io Kristy io ihany izay tena misy eo marina tokoa amin’ny …
  6. 1411 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Ny Pretra nohamasinina ara-dalàna no hany mahazo mitarika ny fankalazana ny Eokaristia sy manamasina ny mofo sy ny divay mba hanjary Vatana sy Ran’ny Tompo ireo.
  7. 1412 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” .Ny famantarana tena ilaina amin’ny sakramentan’ny Eokaristia, dia ny mofo vita amin’ny varimbazaha sy ny divay avy amin’ny voaloboka, izay amin’ireo no iantsoana ny tsodranon’ny Fanahy Masina ary tononin’ny Pretra ny teny …
  8. 1413 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” .Amin’ny fankamasinana no tanteraka ny fiovam-pisia-maha-izy ny mofo sy ny divay ho Vatana aman-dRan’i Kristy. Izy Kristy mihitsy, velona sy be voninahitra, tsy hita mivantana amin’ny endriky ny mofo sy ny divay …
  9. 1414 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” .Amin’ny maha-sorona ny Eokaristia, dia atolotra koa izy ho fanonerana ny fahotan’ny velona sy ny nodimandry, ary mba hahazoana avy amin’Andriamanitra ny soa ara-panahy na ara-nofo.
  10. 1415 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Izay te handray an’i Kristy amin’ny kômonion’ny Eokaristia, dia tsy maintsy ao anatin’ny toe-panahy voavela heloka. Izay olona mahatsiaro tena fa manana fahotana mahafaty, dia tsy mahazo miroso amin’ny Eokaristia izy raha …
  11. 1416 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” .Ny fiombonana masina amin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy dia mampitombo ny firaisan’ny mpandray amin’ny Tompo, manafaka azy amin’ny fahotana madinika sy miaro azy amin’ny fahotana lehibe. Noho ny fatoram-pifankatiavana mihamafy hery eo amin’ny …
  12. 1417 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” .Ampirisihan’ny Fiangonana fatratra ny mpino mba handray ny kômonio masina rahefa mandray anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia izy ireo ; didiany izy ireo hanao izany fara fahakeliny indray maka isan-taona.
  13. 1418 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” .Satria ny Tenan’i Kristy mihitsy no misy eo amin’ny sakramentan’ny ôtely, tsy maintsy hajaina amin’ny fombam-pivavahana fitsaohana Izy. “ Ny famangiana ny Sakramenta Masina Indrindra no porofom-pankasitrahana, famantaram-pitiavana ary adidim-pitsaohana amin’i Kristy …
  14. 1419 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” .I Kristy, tamin’ny fialany teto amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, no nanome antsika ao amin’ny Eokaristia ny antoky ny voninahitra eo Akaikiny : ny fandraisana anjara amin’ny Sorona Masina no …
  15. 1420 Ny sakramenta fanasitranana Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny firosoana ho kristianina ny olona no mandray ny fiainam-baovaon’i Kristy. Nefa, entintsika “ao amin’ny siny tanimanga” (2 Kôr 4,7) io fiainana io. Ankehitriny, mbola “tsy hita maso miaraka amin’i …
  16. 1421 Ny sakramenta fanasitranana Sitrak’i Jesoa-Kristy Tompo, mpitsabo ny fanahintsika sy ny vatantsika, Izy izay namela ny fahotan’ilay malemy sy namerina taminy ny fahasalamam-batana [2] , ny hanohizan’ny Fiangonany, amin’ny herin’ny Fanahy Masina, ny tsanganasa fanasitranany …
  17. 1422 Ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fampihavanana “Ireo izay manatona ny sakramentan’ny Fivalozana dia mahazo ny famindram-pon’Andriamanitra ao amin’izany, ny famelana ny fahotana izay nataon’izy ireo Taminy, ka avy hatrany dia tafahavana amin’ny Fiangonana izay noratrain’ny fahotan’izy ireo, sy …
  18. 1423 I.Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Antsoina hoe sakramentan’ny fibebahana izy, satria manatanteraka ara-tsakramenta ny antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana [4] sy ny finiavana hiverina amin’ny Ray [5] izay nohalavirina tamin’ny fahotana. Antsoina hoe sakramentan’ny Fivalozana izy, satria …
  19. 1424 I.Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Antsoina hoe sakramentan’ny fibabohana izy, satria ny fiekena sy ny fibabohana ny fahotana eo anatrehan’ny Pretra no singafototra tsy azo avela amin’ity sakramenta ity. Amin’ny heviny lalina, dia “kônfesy” koa ity sakramenta …
  20. 1425 II. Nahoana no misy sakramentan’ny Fampihavanana aorian’ny Batemy ? “Nosasàna sy nohamasinina ary nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitsika” (1 Kôr 6,11). Tsy maintsy fantatra mazava ny halehiben’ny fanomezan’ Andriamanitra izay natao ho antsika ao amin’ny sakramentan’ny …