VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy”

Laharana 1419 amin’ny Katesizy

.I Kristy, tamin’ny fialany teto amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, no nanome antsika ao amin’ny Eokaristia ny antoky ny voninahitra eo Akaikiny : ny fandraisana anjara amin’ny Sorona Masina no mampitovy antsika amin’ny Fony, manohana ny herintsika mandritra ny fivahiniana eto amin’ity fiainana ity, mahatonga antsika haniry ny Fiainana mandrakizay ary efa mampiray antsika amin’ny Fiangonan’ny Lanitra, amin’i Masina Maria Virjiny ary amin’ny Olomasina rehetra.

Loharano ôfisialy ↗