Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1281 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Ireo izay niharan’ny fahafatesana noho ny finoana, ireo katekomena ary ny olona rehetra izay mitady an’Andriamanitra amin-kitsim-po sy miezaka hanatanteraka ny sitrapony, noho ny tosi-kerim-pamporisikin’ny fahasoavana, nefa tsy mahalala ny Fiangonana, dia …
  2. 1282 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Hatramin’ny ela no efa nanomezana Batemy ny zaza, satria fahasoavana sy fanomezan’Andriamanitra izany, izay tsy mifono hevitra ny mahamendri-balisoa ny olombelona ; atao batemy amin’ny finoan’ny Fiangonana ny zaza. Mitondra ho amin’ny …
  3. 1283 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Raha ny amin’ny zaza maty tsy vita batemy, dia manainga antsika hanam-pitokiana ny famindram-pon’Andriamanitra ny litorzian’ny Fiangonana, sy hivavaka ho amin’ny famonjena azy ireo.
  4. 1284 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Raha an-kamehana, dia mahazo manao batemy ny olona rehetra, raha toa ka mihevitra ny hanao izay fanaon’ny Fiangonana izy, ary mandrotsaka ny rano eo amin’ny lohan’ilay hatao batemy sady miteny hoe : …
  5. 1285 Ny sakramentan’ny Fankaherezana Miaraka amin’ny Batemy sy ny Eokaristia, no mitambatra ho vondron’ “ireo sakramenta firosoana ho kristianina” ny sakramentan’ny Fanka-herezana, izay tokony harovana ny mahairay azy. Noho izany, tsy maintsy hazavaina amin’ireo mpino, fa …
  6. 1286 I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena Ao amin’ny Testamenta Taloha , nambaran’ireo mpaminany fa ny Fanahin’ny Tompo dia hitoetra ao amin’ilay Mesia antenaina [95] , ho amin’ny fanirahana maha-mpamonjy Azy [96] . Ny fidinan’ny Fanahy Masina teo ambonin’i …
  7. 1287 I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena Ary izany hafenoan’ny Fanahy izany dia tsy tokony hijanona fotsiny ho an’ny Mesia irery ihany, fa tokony hampitaina amin’ny Vahoakan’ny Mesia manontolo [98] . Imbetsaka i Kristy no nampanantena an’io firotsahan’ny Fanahy …
  8. 1288 I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena “Ny apôstôly, hatramin’io fotoana io, mba hanatanterahana ny sitrapon’i Kristy, dia nampita tamin’ireo zazavao amin’ny finoana, tamin’ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ny fanomezana ny Fanahy izay mitondra any amin’ny fanaperan’ny fahasoavan’ny Batemy [104] …
  9. 1289 I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena Tsy ela taty aoriana, mba hahafantarana tsaratsara kokoa ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia nampiana fanosorana diloilo manitra (chrême) ny fametrahan-tanana. Manazava ny anarana hoe “kristianina” ity fanosorana ity, izay midika hoe …
  10. 1290 Lovam-pampianarana anankiroa : ny Tatsinanana sy ny Tandrefana Tamin’ny taonjato voalohandohany, mazàna ny Fankaherezana dia natambatra tamin’ny fankalazana tokana niaraka tamin’ny Batemy, ka nahatonga miaraka amin’ity ho “sakramenta roa sosona” [107] , araka ny fomba fitenin’i Md Cyprien. Anisan’ireo antony …
  11. 1291 Lovam-pampianarana anankiroa : ny Tatsinanana sy ny Tandrefana Nisy fomba iray nahazatra tao amin’ny Fiangonan’i Rôma nanamora ny fiitaran’ny fanao tandrefana, noho ny fanosorana indroa miantoana amin’ny diloilo masina aorian’ny Batemy : izay efa nataon’ny Pretra tamin’ilay zazavao amin’ny finoana, …
  12. 1292 Lovam-pampianarana anankiroa : ny Tatsinanana sy ny Tandrefana Ny fanaon’ny Fiangonana Tatsinanana dia manamafy bebe kokoa ny mahairay ny firosoana ho kristianina. Ny an’ny Fiangonana latinina kosa, dia mampiseho mazavazava kokoa ny fiombonan’ilay vao tonga kristianina amin’ny Evekany, izay antoka …
  13. 1293 II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana Ao amin’ny fombam-pivavahan’ity sakramenta ity, tsara ny mamakafaka ny famantarana amin’ny fanosorana sy izay ambaran’ny fanosorana sy araikiny : ny fitomboka ara-panahy. Ny fanosorana , ao amin’ny fanehoana an’ohatra ara-baiboly sy fahagola, …
  14. 1294 II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana Hita eo amin’ny fiainana ara-tsakramenta daholo ny dikan’ireo fanosorana diloilo rehetra ireo. Ny fanosorana alohan’ny Batemy amin’ny menaky ny katekomena dia midika fanadiovana sy fampatanjahana; ny fanosorana ny marary dia maneho fanasitranana …
  15. 1295 II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana Amin’io fanosorana io no andraisan’ilay ankaherezina “ny marika”, ny fitomboky ny Fanahy Masina. Ny fitomboka dia fanehoana an’ohatra ny olona [114] , famantarana ny fahefany [115] , ny maha-tompon’ny zavatra iray azy …
  16. 1296 II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana Ny Tenan’i Kristy mihitsy no manambara fa voamariky ny fitomboky ny Rainy Izy [120] . Ny kristianina koa dia nasiana fitomboka : “Ilay izay manamafy anay miaraka aminareo ao amin’i Kristy sy …
  17. 1297 Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana Ny fotoan-dehibe izay mialoha ny fankalazana ny Fankaherezana, nefa raha ny marina, anisany ihany, dia ny fanamasinana ny diloilo . Ny Eveka no manamasina ny diloilo ho an’ny diôseziny manontolo, ny Alakamisy …
  18. 1298 Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana Rahefa ankalazaina misaraka amin’ny Batemy ny Fankaherezana, toy ny fanao amin’ny fombam-pivavahana rômanina, dia ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy sy ny fiekem-pinoan’ireo mpiomana handray ny Fankaherezana no anombohana ny litorzian’ny sakramenta. …
  19. 1299 Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana Amin’ny fombam-pivavahana rômanina, manatsotra ny tanana eo amin’ ireo rehetra atao Fankaherezana ny Eveka, fihetsika izay, hatramin’ny andron’ny apôstôly no famantarana ny fanomezana ny Fanahy. Ary hoy ny Eveka mitalaho ny firotsahan’ny …
  20. 1300 Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana Manaraka izany ny votoatin’ny fombam-pivavahan ’ity sakramenta ity Amin’ny fombam-pivavahana latinina, “ny sakramenta Fankaherezana dia omena amin’ny alalan’ny fanosorana diloilo masina eo amin’ny handrina, atao amin’ny fametrahan-tanana, sy amin’ny alalan’ireto teny ireto …