Ny sakramentan’ny Fankaherezana
Laharana 1285 amin’ny Katesizy
Miaraka amin’ny Batemy sy ny Eokaristia, no mitambatra ho vondron’ “ireo sakramenta firosoana ho kristianina” ny sakramentan’ny Fanka-herezana, izay tokony harovana ny mahairay azy. Noho izany, tsy maintsy hazavaina amin’ireo mpino, fa ny fandraisana ity sakramenta ity dia ilaina amin’ny fahatanterahan’ny fahasoavan’ny Batemy[93]. Satria, “amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fankaherezana, mihalavorary kokoa ny fatotra mampiray an’ireo vita batemy amin’ny Fiangonana ; nampitomboina hery manokana avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo, ary voadidy araka izany amin’ny fomba hentitra kokoa hampiely sy hiaro ny finoana amin’ny teny sy amin’ny asa tena fijoroana ho vavolombelon’i Kristy tokoa”[94].