Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
941
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Ny lahika dia mandray anjara amin’ny maha-Mpisorona an’i Kristy : arakaraka ny iraisany Aminy, no ampivelaran’izy ireo ny fahasoavan’ny Batemy sy ny Fankaherezana, eo amin’ny sehatra rehetra mikasika ny fiainan’ny olona manokana, …
→
-
942
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Noho ny iraka maha-mpaminany azy ireo, ny lahika “ dia voantso koa hijoro ho vavolombelon’i Kristy, amin’ny fisehon-javatra rehetra sy eo anivon’ny fiombonam-ben’ny olombelona mihitsy ” [494] .
→
-
943
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Noho ny iraka maha-mpanjaka azy ireo, ny lahika dia manana fahefana hamongotra ny fahotana sy ny fanjakany ao amin’ny tenan’izy ireo sy eo amin’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’izy ireo sy ny …
→
-
944
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Ny fanokanam-piainana ho an’Andriamanitra dia hita miharihary amin’ ny fanaovana voady ampahibemaso araka ny torohevitry ny Evanjely momba ny fahantrana, ny fahadiovam-pitiavana ary ny fanekena ao anatin’ny toe-piainana mafy orina ankatoavin’ny Fiangonana.
→
-
945
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Ilay efa natokan’ny Batemy ho an’Andriamanitra, noho izy nanolo-tena Aminy izay tiany indrindra, dia mahatsiaro tena, ao amin’ny lalan’ny fanokanam-piainana, fa tafiditra lalindalina kokoa amin’ny fanokanan-tena hanompo an’Andriamanitra sy amin’ny fanoloran-tena hanasoa …
→
-
946
Paragrafy 5 . Ny fiombonan’ny olomasina
Ny Sembolin’ny apôstôly, rahefa avy niaiky ny finoana “ny Fiangonana Masina katôlika”, dia manampy hoe “ny fiombonan’ny olomasina”. Io andalana io, dia tsy misy isalasalana fa fanazavana miharihary ny teo aloha : …
→
-
947
Paragrafy 5 . Ny fiombonan’ny olomasina
“Satria mirafitra ho vatana iray ihany ny mpino rehetra, ka ampitaina amin’ny hafa ny haren-tsoan’ny tsirairay (…).Tsy maintsy hinoana, araka izany, fa misy fiombonana haren-tsoa ao amin’ny Fiangonana. Ny rantsambatana ambony indrindra …
→
-
948
Paragrafy 5 . Ny fiombonan’ny olomasina
Ka noho izany ny teny hoe “fiombonan’ny olomasina”, dia manana dikany roa mifamatotra mafy : “fiombonana amin’ny zavatra masina, sancta ” sy “fiombonana eo amin’ny samy olona masina, sancti ”. “ Sancta …
→
-
949
I. Ny fiombonana amin’ny harem-panahy
Tao amin’ny ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema, dia “nazoto tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, nahatoky tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny famakiana ny mofo ary tamin’ny fivavahana” (Asa 2,42) ny mpianatra : Ny fiombonana amin’ny …
→
-
950
I. Ny fiombonana amin’ny harem-panahy
Ny fiombonana amin’ny sakramenta . “Ny vokatry ny sakramenta rehetra dia ho an’ny rehetra. Satria ny sakramenta, fa indrindra ny Batemy izay toy ny varavarana ka aminy no idiran’ny olombelona ao amin’ny …
→
-
951
I. Ny fiombonana amin’ny harem-panahy
Ny fiombonana amin’ny fanomezam-pahasoavana : ao amin’ny fiombonan’ ny Fiangonana, ny Fanahy Masina “dia mizara koa amin’ireo mpino araka ny ambaratonga rehetra (…) ny fahasoavana manokana”, ho amin’ny fandrafetana ny Fiangonana [500] …
→
-
952
I. Ny fiombonana amin’ny harem-panahy
“ Niombonan’izy ireo daholo ny zavatra rehetra ” (Asa 4,32) : “Izay rehetra ananan’ny tena kristianina tokoa, dia tokony heveriny ho tahaka ny haren-tsoa izay iombonany amin’ny rehetra, ary lalandava, tokony ho …
→
-
953
I. Ny fiombonana amin’ny harem-panahy
Ny fiombonana amin’ny fitiavana : ao amin’ny fiombonana masina ( sanctorum communio ) “tsy misy amintsika, velona ho an’ny tenany, ary tsy misy maty, ho an’ny tenany” (Rôm 14,7).“Mijaly ve ny rantsambatana …
→
-
954
II. Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany
Ny toetra telo ny Fiangonana . “Amin’ny fiandrasana fa ho avy amin’ny fiandrianany ny Tompo arahin’ny anjely rehetra, sy amin’ny fiandrasana ny haharava ny fahafatesana, ka hanaiky ny Tompo ny zavatra rehetra, …
→
-
955
II. Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany
“Ny fiombonan’ireo izay mbola eny an-dalana miaraka amin’ny rahalahiny izay efa nodimandry ao amin’ny fiadanan’i Kristy, dia tsy mahita fahatapatapahana kely akory; ny mifanohitra amin’izany aza, fa araka ny finoana tsy miova …
→
-
956
II. Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany
Ny fanalalan’ireo olomasina . “Satria, noho ny firaisana lalindalina kokoa amin’i Kristy, ny mponin’ny lanitra dia mandray anjara mba hahamafy fototra kokoa ny Fiangonana amin’ny fahamasinana (…). Tsy mitsahatra izy ireo manalalana …
→
-
957
II. Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany
Ny fiombonana amin’ireo olomasina . “Tsy noho ny oha-piainan’izy ireo fotsiny no anajantsika amin’ny alalan’ny fahatsiarovana ny mponin’ny lanitra; ny katsahintsika bebe kokoa amin’izany dia ny hanamafisana ny firaisan’ny Fiangonana manontolo ao …
→
-
958
II. Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany
Ny fiombonana amin’ireo nodimandry . “Amin’ny fiekena izany avy hatrany an’io fiombonana izay misy ao anatin’ny vatana mistikan’i Jesoa-Kristy manontolo io, ny Fiangonana ao amin’ireo rantsambatany izay mizotra ety an-tany dia nanamarika …
→
-
959
II. Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany
Ao amin’ny fianakaviana tokan’Andriamanitra . “Raha ny fifankatiavana sy ny fiaraha-midera ny Trinite Masina Indrindra no mampiombona antsika samy isika, isika rehetra, zanak’Andriamanitra izay tsy hafa fa fianakaviana iray ihany ao amin’i …
→
-
960
II. Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany
“ Fiombonan’ny Olomasina ” ny Fiangonana : izany fombam-piteny izany dia manondro ny “ zava-masina ” (sancta) aloha, ka voalohany indrindra amin’izany ny Eokaristia, izay amin’izany “ no anehoana sy anatontosana ny …
→