I. Ny fiombonana amin’ny harem-panahy

Laharana 952 amin’ny Katesizy

“Niombonan’izy ireo daholo ny zavatra rehetra” (Asa 4,32) : “Izay rehetra ananan’ny tena kristianina tokoa, dia tokony heveriny ho tahaka ny haren-tsoa izay iombonany amin’ny rehetra, ary lalandava, tokony ho vonona sy dodona izy hamonjy amin’ny fahantrana sy amin’ny fahorian’ny namana”[501]. Ny kristianina no mpitantana ireo haren-tsoan’ny Tompo.[502]

Loharano ôfisialy ↗