Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2601
Mivavaka i Jesoa
“Indray andro, nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray i Jesoa. Nony nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray Taminy : Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay” (Lk 11,1). Moa ve tsy tamin’ny fibanjinana …
→
-
2602
Mivavaka i Jesoa
Matetika i Jesoa no nihataka tany amin’ny toera-mangina , tany an-tendrombohitra, indrindra indrindra tamin’ny alina, mba hivavaka [59] . Nitondra ny olombelona tamin’ny fivavahany Izy, satria Izy rahateo moa dia nizaka tao …
→
-
2603
Mivavaka i Jesoa
Vavaka anankiroa miharihary tokoa, avy amin’i Kristy, nandritra ny raharaham-pamonjeny, no notanan’ireo mpanoratra ny evanjely. Ary samy manomboka amin’ny fisaorana avokoa izy ireo. Ao amin’ilay voalohany [62] , manambara ampahibemaso ny Ray …
→
-
2604
Mivavaka i Jesoa
Ny vavaka faharoa no notaterin’i Md Joany [64] talohan’ny fananganana an’i Lazara ho velona. Mialoha ny zava-miseho ny fisaorana : “Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao”, izay midika hoe …
→
-
2605
Mivavaka i Jesoa
Rahefa tonga ny Ora izay nanatanterahan’i Jesoa ny fandaharam-pitiavan’ny Ray, dia navelany ho azoazo vinany ny halalina tsy taka-polopolorin’ny fivavahan-janaka nataony, tsy talohan’ny nanolorany tena an-kalalahana fotsiny (“ Aba ... tsy sitrapoko, …
→
-
2606
Mivavaka i Jesoa
Ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona amin’ny fotoana rehetra, izay andevon’ny fahotana sy ny fahafatesana, sy ny fangatahana rehetra mbamin’ ny fanelanelanana rehetra teo amin’ny tantaram-pamonjena, dia voangona ao amin’io Antson’ny Teny …
→
-
2607
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Rahefa nivavaka i Jesoa, dia nampianatra antsika sahady hivavaka Izy. Ny lalana avy amin’Andriamanitra momba ny fivavahantsika dia fivavahany tamin’ny Rainy. Kanefa ny Evanjely dia manolotra antsika fampianarana mazava avy amin’i Jesoa …
→
-
2608
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Nanomboka tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra , nanantitrantitra ny amin’ny fibebahan’ny fo i Jesoa : ny famitranam-pihavanana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana alohan’ny hanolorana fanatitra eo amin’ny ôtely [70] , ny fitiavana ny fahavalo …
→
-
2609
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Ny fo, tapa-kevitra hibebaka araka izany, dia mianatra mivavaka ao amin’ny finoana . Firaiketan-janaka amin’Andriamanitra ny finoana, mihoatra noho izay tsapantsika sy takatry ny saintsika. Manjary azo atao izany satria ny Zanaka …
→
-
2610
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Tahaka ny nivavahan’i Jesoa tamin’ny Ray sy nisaorany talohan’ny nandraisany ny fanomezany, no ampianarany antsika izao fahasahian-janaka izao : “Na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa efa azonareo izany” (Mk …
→
-
2611
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Ny fivavahana amim-pinoana dia tsy ny fitenenana fotsiny hoe : “Tompo, Tompo”, fa ny mampifanaraka ny fo hanao ny sitrapon’ny Ray [80] . Izany fiahiana hiara-miasa amin’ny fandaharan’Andriamanitra izany, no iantsoan’ i …
→
-
2612
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Ao amin’i Jesoa, dia “efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra” (Mk 1,15), miantso ho amin’ny fibebahana sy ny finoana Izy, nefa koa amin’ny fiambenana . Amin’ny fivavahana ny mpianatra no miandry amim-pitandremana an’Ilay izay …
→
-
2613
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain’i Lioka tamintsika : Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina” [84] , mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny …
→
-
2614
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Raha namboraka an-karihary tamin’ireo mpianany ny misterin’ny fivavahana amin’ny Ray i Jesoa, dia nampiseho azy ireo ny tsy maintsy ho fivavahan’izy ireo, sy ny antsika, rahefa hiverina eo anilan’ny Ray Izy, amin’ny …
→
-
2615
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Fa indrindra, “ilay Mpanafaka alahelo hafa, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay” (Jo 14,16-17) no omen’ny Ray antsika, rahefa miray amin’ny vavak’i Jesoa ny fivavahantsika. Io zava-baovao amin’ny fivavahana …
→
-
2616
Mihaino vavaka i Jesoa
Ny fivavahana amin’i Jesoa dia efa nohenoiny nandritra ny raharaham-pamonjeny, tamin’ny alalan’ireo famantarana izay naneho mialoha ny herin’ ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona : I Jesoa dia mihaino ny vavaka …
→
-
2617
Ny vavak’i Maria Virjiny
Ny vavak’i Maria dia nambara tamintsika teo am-piandohan’ny hafenoan’ ny fotoana. Talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy talohan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fivavahany no niara-niasa tamin’ny fomba tokana aman-tany tamin’ny fandaharana feno …
→
-
2618
Ny vavak’i Maria Virjiny
Ny Evanjely dia manambara amintsika ny fomba fivavak’i Maria sy fanelanelanany amim-pinoana : tao Kanà [100] , niangavy tamin-Janany ny Renin’i Jesoa ho an’ny zavatra ilaina tao amin’ny sakafon’ny fampakaram-bady iray, famantarana …
→
-
2619
Ny vavak’i Maria Virjiny
Izany no mahatonga ny tonon-kiran’i Maria [102] , “ Magnificat”(Mankalaza ny Tompo ny fanahiko) amin’ny teny latinina, “ Mégalinaire” amin’ny teny bizantinina, ho sady tonon-kiran’ny Renin’Andriamanitra no tonon-kiran’ny Fiangonana, sady tonon-kiran’ny Zanakavavin’i …
→
-
2620
Ny vavak’i Maria Virjiny
Ny môdely lavorary amin’ny fivavahana, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia miorina amin’ny vavaka maha-zanaka an’i Jesoa. Ny vavak’i Jesoa, natao matetika tany amin’ny toerana mitokana, tany amin’ny toerana mangina, dia manambara firaiketam-po …
→