Fanahy Masina
Laharana 65
- 743 Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana Hatramin’ny fanombohana ka hatramin’ny fahataperan’ny fotoana, rahefa maniraka ny Zanany Andriamanitra, dia maniraka lalandava ny Fanahiny koa : iraisana sy tsy azo sarahina ny fanirahana Azy ireo.
- 744 Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana Tamin’ny hafenoan’ny fotoana, no notanterahin’ny Fanahy Masina tao amin’i Maria ny fanomanana rehetra amin’ny fahatongavan’i Kristy ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina tao aminy, no nanomezan’ny Ray ho an’izao tontolo …
- 745 Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana Natokana ho Kristy (Mesia) tamin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina tao amin’ny Fahatongavany ho Nofo, ny Zanak’Andriamanitra [114] .
- 746 Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana Tamin’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona i Jesoa no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy ao amin’ny voninahitra [115] . Avy amin’ny Hafenoany no androtsahany ny Fanahy Masina ao amin’ny Apôstôly sy …
- 747 Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana Ny Fanahy Masina izay arotsak’i Kristy, Loha, ao amin’ny rantsambatany, no manorina, mamelon’aina ary manamasina ny Fiangonana. Ny Fiangonana no sakramentan’ny firaisan’ny Trinite Masina sy ny olombelona.