Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2251
Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana
Ny adidin’ny zanaka amin’ireo ray aman-dreniny dia ny manaja, ny mankasitraka, ny manaiky ara-drariny ary ny manampy azy ireo. Mampandroso ny firindran’ny fiainam-pianakaviana manontolo, ny fanajan’ny zanaka ny ray aman-dreny.
→
-
2252
Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana
.Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany amin’ny finoana, amin’ny fivavahana ary amin’ny hatsaram-panahy rehetra. Manana adidy izy ireo hiantoka izay rehetra ilain’ny zanany amin’ny ara-batana sy ara-panahy, araka …
→
-
2253
Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana
.Tsy maintsy manaja sy mampandroso ny fiantsoan’Andriamanitra ny zanak’izy ireo ny ray aman-dreny. Hotsarovan’izy ireo sy hampianariny fa ny antso voalohany ho an’ny kristianina, dia ny manara-dia an’i Jesoa.
→
-
2254
Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana
Tsy maintsy hajain’ny Fanjakana ny zo fototra maha-olona ny olona sy ny fepetra hampiasana ny fahafahany.
→
-
2255
Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana
.Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny miasa miaraka amin’ireo mpitondra fanjakana amin’ny fanorenana fiaraha-monina tsara ao anatin’ny toe-tsaina mandala ny fahamarinana, ny rariny sy hitsiny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana.
→
-
2256
Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana
Ny olom-pirenena dia voadidin’ny kônsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa mifanohitra amin’izay takìn’ny lalàm-pitondran-tena izany didy izany. “ Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona ” (Asa 5,29).
→
-
2257
Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana
Ny tsara akan’ny fiaraha-monina rehetra hevitra amin’ny fiheviny sy ny fitondran-tenany, dia ny fijery lavitra ny olombelona sy ny fiafaram-piainany. Manjary mora ho an’ny fiaraha-monina ny manao didy jadona sy manao bodo …
→
-
2258
Ny didy fahadimy
“ Masina ny ain’olombelona , satria hatrany am-piandohany no ao aminy ny asam-paharian’Andriamanitra ary maharitra mandrakizay amin’ny fifandraisana manokana amin’ny Mpahary, izay hany tanjom-piafarany. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny aina hatrany am-piandohany …
→
-
2259
Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina
Ny Soratra Masina, ao amin’ny tantaran’ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny [34] , dia mampiseho, hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, ny fisian’ny fahatezerana sy ny fitsiriritana ao amin’ny olombelona, vokatry ny fahotana tamin’ny …
→
-
2260
Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina
Ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra sy ny olombelona dia mirakitra fampahatsiarovana maro ny amin’ny fanomezan’Andriamanitra ny ain’ olombelona sy ny herisetra mahafaty ataon’ny olona : Hampamoahako ny ran’ny tsirairay ianareo (…). Ka na zovy na …
→
-
2261
Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina
Mamaritra mazava ny zavatra andraràna ao amin’ny didy fahadimy ny Soratra Masina : “Tsy hamono olona tsy manan-tsiny na olo-marina ianao” (Eks 23,7). Ny minia mamono olona tsy manan-tsiny dia manohitra mafy …
→
-
2262
Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina
Nampahatsiahivin’ny Tompo tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), sady nampiany fandraràna koa tsy ho tezitra, tsy hankahala ary tsy hamaly faty. Mbola mihoatra noho …
→
-
2263
Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna
Tsy maningana amin’ny fandraràna ny famonoan’olona tsy manan-tsiny, izay anisan’ny famonoan’olona an-tsitrapo, ny fiarovan-tena eken’ny lalàna ho an’ny olona sy ho an’ny fiaraha-monina. “Vokatra anankiroa no ateraky ny asa fiarovan-tena : fitsimbinana …
→
-
2264
Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna
Maharitra ho fitsipika fototry ny toetram-pitondran-tena ny fitiavana ny tena. Noho izany, araka ny rariny sy ny hitsiny ny mahatonga hanaja ny zon’ny tena mba ho velona. Tsy helohina ho mpamono olona …
→
-
2265
Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna
Ankoatra ny maha-zo azy, tsy mety ho zo fotsiny ny fiarovan-tena eken’ny lalàna, fa adidy lehibe ho an’izay tompon’andraikitry ny ain’ny hafa. Takìn’ny fiarovana ny soa iombonana ny hanaovana ny mpamely tsy …
→
-
2266
Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna
Ny ezaka ataon’ny Fanjakana hisakanana ny fielezan’ny fihetsika amam-pitondran-tena mandika ny zon’olombelona sy ny fitsipika fototry ny fiaraha-miainan’ny olom-pirenena, dia ilaina ampifandraisina amin’izay takìn’ny fiarovana ny soa iombonana. Manana zo sy adidy …
→
-
2267
Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna
Nandritra ny fotoana maro dia nampiharin’ny fitondrana mahefa isan-karazany ny fanamelohana ho faty mba ho setrin’ny heloka be vava, sady noheverina ihany koa hoe sazy azo ekena, na dia toa tafahoatra ihany …
→
-
2268
Ny famonoan’olona an-tsitrapo
Raràn’ny didy fahadimy ny famonoan’olona mivantana sy an-tsitrapo , noho ny maha-fahotana lehibe azy. Ny mpamono olona sy ireo izay miara-miasa an-tsitrapo amin’ny vono olona dia manao fahotana izay miantso valifaty any …
→
-
2269
Ny famonoan’olona an-tsitrapo
Raràn’ny didy fahadimy ny tsy hanao fikasana na inona na inona hamono olona ankolaka . Raràn’ny lalàna môraly ny mamela olona iray, tsy misy antony lehibe, hisetra loza mahafaty, tahaka izany koa …
→
-
2270
Ny fanalan-jaza
Tsy maintsy hajaina sy arovana amin’ny fomba rehetra ny ain’ olombelona, manomboka amin’ny fotoanan’ny fiforonany ao am-bohoka. Manomboka amin’ny fotoana voalohan’ny fisiana ho olona, dia tokony haseho eo aminy ny fanekena ny …
→