Ny famonoan’olona an-tsitrapo

Laharana 2268 amin’ny Katesizy

Raràn’ny didy fahadimy ny famonoan’olona mivantana sy an-tsitrapo, noho ny maha-fahotana lehibe azy. Ny mpamono olona sy ireo izay miara-miasa an-tsitrapo amin’ny vono olona dia manao fahotana izay miantso valifaty any an-danitra[43].

Ny famonoan-jaza[44], ny famonoana mpiray tam-po, ny famonoana ray na reny ary ny famonoana vady dia heloka lehibe indrindra noho ny rohim-pihavanana voa-Janahary izay tapahin’izy ireny. Ny fiahiana momba ny fanatsarana ny taranak’ olombelona na ny fahasalamam-bahoaka dia tsy afaka manamarina famonoan’ olona na iray aza, na dia ny fanjakana aza no mandidy izany.

Loharano ôfisialy ↗