Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1586 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Ho an’ny Eveka, ny fahasoavana ahazoana hery aloha (“Ny Fanahy izay mahatonga ho filoha” : vavaka fanamasinana ny Eveka amin’ny fombam-pivavahana latinina [83] ) dia ny fahasoavana hitantanana sy hiarovana amin-kery sy …
  2. 1587 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Ny fanomezana ara-panahy izay omen’ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-pretra dia voambara amin’ity vavaka manokana amin’ny fombam-pivavahana bizantinina ity. Anisan’ny lazain’ny Eveka amin’ izany, eo am-pametrahan-tanana, ny hoe : Tompo ô, fenoy …
  3. 1588 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Raha ny amin’ny Diakra, “ny fahasoavana ara-tsakramenta no manome azy ireo ny hery ilaina hanompoana ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny "asa fanompoana" amin’ny litorzia, ny teny ary ny fifankatiavana, amin’ny fiombonana amin’ny Eveka sy …
  4. 1589 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Manoloana ny halehiben’ny fahasoavana sy ny fiadidiana maha-mpisorona, dia mahatsapa ao aminy ny antso maika ho amin’ny fibebahana ireo mpampianatra masina, mba hampifanaraka ny fiainan’izy ireo manontolo amin’ny an’Ilay izay nanangana azy …
  5. 1590 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Hoy i Md Paoly tamin’i Timôte mpianany : “ Mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezana izay napetrak’Andriamanitra ao anatinao tamin’ny fametrahako tanana taminao ” (2 Tim 1,6), ary “ izay …
  6. 1591 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Vahoaka mpisorona ny Fiangonana manontolo. Noho ny Batemy, mandray anjara amin’ny fisoronan’i Kristy ny mpino rehetra. Antsoina hoe “ fisoronana iombonan’ny mpino ” izany fandraisana anjara izany. Ao amin’ny fotony sy amin’ny …
  7. 1592 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Samy hafa mihitsy amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra satria manome fahefana masina ho an’ny fanompoana ny mpino ity. Ny mpandraharaha voahosotra dia manao ny asany eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny …
  8. 1593 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Efa hatrany am-piandohana no nanomezana sy nampiasana tamin’ny ambaratonga telo ny andraiki-panompoana masina : ny an’ny Eveka, ny an’ny Pretra ary ny an’ny Diakra. Ny andraiki-panompoana nomena tamin’ny alalan’ny fanamasinana dia tsy …
  9. 1594 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Mandray ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana ny Eveka, izay mampiditra azy ao amin’ny Fiombonam-piadidian’ny maha-eveka sy mahatonga azy ho filoha hita maso ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana izay ankinina aminy. Ireo Eveka, amin’ny …
  10. 1595 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Miray amin’ny Eveka ireo Pretra amin’ny fahambonian’ny maha-mpisorona sady miankina aminy koa amin’ny fanaovana ny anjara raharaha maha-mpiandry ondry azy ireo ; voantso ho mpiara-miasa kinga saina amin’ny Eveka izy ireo ; …
  11. 1596 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Mpandraharaha voahosotra ho amin’ny lahasa fanompoana ny Fiangonana ny Diakra ; tsy mandray ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra izy, kanefa ny fanamasinana dia manome azy anjara raharaha mavesa-danja amin’ny andraiki-panompoana ny Teny, amin’ny …
  12. 1597 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Ny sakramentan’ny Filaharana dia omena amin’ny fametrahan-tanana arahin’ny vavaka fanamasinana manetriketrika izay angatahina amin’ Andriamanitra ny fahasoavan’ny Fanahy Masina ilain’ilay hamasinina amin’ny andraiki-panompoany. Mampisy marika ara-tsakramenta tsy maty vonoina ny fanamasinana ho …
  13. 1598 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Ny lehilahy (viris) vita batemy no hany azon’ny Fiangonana omena ny sakramentan’ny Filaharana, ka fantatra sy hita araka ny voadidy fa manana ny fahafahana mampiasa ny andraiki-panompoana. Anjaran’ny manam-pahefan’ny Fiangonana ny adidy …
  14. 1599 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Ao amin’ny Fiangonana latinina, ny sakramentan’ny Filaharana ho amin’ny maha-pretra dia tsy omena araka ny fomba mahazatra afa-tsy amin’izay olona vonona hisafidy an-kalalahana ny ho mpitovo, ary maneho ampahibemaso ny sitrapony hitandrina …
  15. 1600 Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina Anjaran’ny Eveka no manome ny sakramentan’ny Filaharana amin’ny ambaratonga telo.
  16. 1601 Ny sakramentan’ny Fanambadiana “Ny fifanekena ara-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray eo amin’izy samy izy tokantrano iray ho amin’ny fiainana manontolo, nalahatra araka ny toetrany voa-Janahary amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa …
  17. 1602 I.Ny fanambadiana ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra Ny fitoviana endrika sy ny fifanahafana amin’Andriamanitra no anombohan’ny Soratra Masina ny fahariana ny lehilahy sy ny vehivavy [94] , ary ny fahitana ny “fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry” (Apôk 19,9) no amaranany izany [95] …
  18. 1603 Ny fanambadiana ao amin’ny filaminan’ny zavaboary “Naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalànany manokana, ny fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina izay noforonin’ny mpivady. Ny Tenan’Izy Andriamanitra no mpamorona ny fanambadiana” [97] . Ny fiantsoana ho amin’ny fanambadiana dia voasokitra ao amin’ny …
  19. 1604 Ny fanambadiana ao amin’ny filaminan’ny zavaboary Andriamanitra, izay nahary ny olombelona tamin’ny fitiavana, dia niantso azy koa ho amin’ny fitiavana, fiantsoana fototra sy hatrany am-bohoka ho an’ny olona rehetra. Satria ny olombelona dia noarìna mitovy endrika sy mifanahaka …
  20. 1605 Ny fanambadiana ao amin’ny filaminan’ny zavaboary Noarìna mba hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, ka hoy ny Soratra Masina manamafy izany : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18). Ny vehivavy, “nofo avy amin’ny nofony” [103] , …