Ny sakramentan’ny Fanambadiana
Laharana 1601 amin’ny Katesizy
“Ny fifanekena ara-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray eo amin’izy samy izy tokantrano iray ho amin’ny fiainana manontolo, nalahatra araka ny toetrany voa-Janahary amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho an’ny taranaka sy ho an’ny fanabeazana ny zanaka, dia nasandratr’i Kristy Tompo eo amin’ny samy vita batemy, ho amin’ny hasin’ny sakramenta”[93].