Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Laharana 1593 amin’ny Katesizy
Efa hatrany am-piandohana no nanomezana sy nampiasana tamin’ny ambaratonga telo ny andraiki-panompoana masina : ny an’ny Eveka, ny an’ny Pretra ary ny an’ny Diakra. Ny andraiki-panompoana nomena tamin’ny alalan’ny fanamasinana dia tsy azo soloina eo amin’ny rafitra voarindra ao amin’ny Fiangonana : raha tsy misy ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra, tsy afaka miresaka hoe Fiangonana[92].