Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1466 VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity Tsy tompony ny mpampikônfesy fa mpanompo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Mila miray saina sy miray fo amin’i Kristy ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity [70] . Mila manana fahalalana voasedra momba ny …
  2. 1467 VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity Amin’ny mahasaro-pady sy mahalehibe ity andraiki-panompoana ity sy ho fanajana atao amin’ny olona, dia ambaran’ny Fiangonana fa ny Pretra rehetra izay mampikônfesy dia voadidy tsy hamoaka ny tsiambaratelo rehetra mikasika ny fahotana …
  3. 1468 IX.Ny vokatr’ity sakramenta ity “Ny vokatra rehetra amin’ny Fivalozana dia mifototra amin’ny fanarenana antsika ho ao anatin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy amin’ny fampiraisana antsika Aminy ao anatin’ny fihavanana tsara tokoa” [72] . Ny fampihavanana amin’Andriamanitra izany, no tarigetra …
  4. 1469 IX.Ny vokatr’ity sakramenta ity Mampihavana antsika amin’ny Fiangonana ity sakramenta ity. Ny fahotana no manambanga na manapaka ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Ny sakramentan’ny Fivalozana no manonitra izany na manarina izany. Amin’io lafiny io, tsy manasitrana …
  5. 1470 IX.Ny vokatr’ity sakramenta ity Amin’ity sakramenta ity, ny fametrahan’ny mpanota ny tenany amin’ny fitsaràna be indrafon’Andriamanitra, dia manatanteraka mialoha , amin’ ny fomba azo antoka, ny fitsaràna izay hihatra aminy amin’ny faran’ity fiainana eto an-tany ity. …
  6. 1471 X. Ny endolzansy Ny fitambaram-pampianarana sy ny fampiasana ny endolzansy ao amin’ny Fiangonana dia mifamatotra mafy amin’ny vokatry ny sakramentan’ny Fivalozana. “Ny endolzansy dia ny famelana eo anatrehan’Andriamanitra ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana …
  7. 1472 Ny sazy noho ny fahotana Mba hahazoana ity fitambaram-pampianarana ity sy ity fanaon’ny Fiangonana ity, tsy maintsy fantarina fa manana vokatra roa sosona ny fahotana. Ny fahotana lehibe no manafoana ao amintsika ny fiombonana amin’Andriamanitra, ary amin’izany …
  8. 1473 Ny sazy noho ny fahotana Ny famelana ny fahotana sy ny famerenana ny fiombonana amin’Andriamanitra no mitarika ny famelana ny sazy mandrakizay vokatry ny fahotana. Saingy mitoetra ihany ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana. Tsy maintsy …
  9. 1474 Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina Tsy manirery tsy akory ny kristianina izay miezaka hihamadio amin’ny fahotany sy hihamasina miaraka amin’ny fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra. “Ny fiainan’ny tsirairay amin’ny zanak’Andriamanitra dia mifamatotra amin’ny fomba mampitolagaga, ao amin’i Kristy sy amin’ny …
  10. 1475 Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina, “misy àry eo amin’ny samy mpino – ireo izay manana ny tanindrazana any an-danitra, ireo izay voaray hanonitra ao amin’ny afofandiovana na ireo izay mbola mivahiny eto an-tany …
  11. 1476 Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina Ireny harem-panahy amin’ny fiombonan’ny olomasina ireny, antsointsika koa hoe raki-tsarobidin’ny Fiangonana , “izay tsy hoe fitambaran-karena tsy akory, araka izany ka hoe harena mivaingana, nangonina nandritra ny taonjato nifandimby, fa ny vidy …
  12. 1477 Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina “Anisan’izany raki-tsarobidy izany koa ny valisoa tena tsy hita noanoa, tsy hita fetra sy vaovao lalandava, eo amin’Andriamanitra, ananan’ny vavaka sy ny asa soa ataon’i Maria Virjiny sambatra sy ny olomasina rehetra …
  13. 1478 Mahazo ny endolzansin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fiangonana Ny endolzansy dia azo amin’ny alalan’ny Fiangonana, izay noho ny fahe­fana mamehy sy mamaha nomen’i Kristy Jesoa azy, dia izy no manelanelana ho amin’ny tombon-tsoan’ny kristianina iray sy manokatra ho azy ny …
  14. 1479 Mahazo ny endolzansin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fiangonana Satria ireo mpino nodimandry eo an-dalam-pandiovana dia anisan’io fiombonan’ ny olomasina io ihany koa, ka afaka manampy azy ireo isika, singanina amin’ izany ny fahazoana ho azy ireo ny endolzansy, hany ka …
  15. 1480 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Toy ny sakramenta rehetra, ny Fivalozana dia asa litorzika. Toy izao avy araka ny mahazatra ny singafototry ny fankalazana : fiarahabana sy tsodranon’ny Pretra, famakiana ny Tenin’Andriamanitra mba hanazava ny kônsiansy sy …
  16. 1481 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny litorzia bizantinina dia manana rijan-teny maro famotsoran-keloka, amin’ny endrika fitalahoana, izay mampiseho amin’ny fomba mampitolagaga ny misterin’ny famelana : “Enga anie Andriamanitra, izay tamin’ny alalan’i Natàna mpaminany, namela an’i Davida fony …
  17. 1482 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny sakramentan’ny Fivalozana dia azo atao koa ao anatin’ny sehatry ny fankalazana iombonana izay amin’izany no iarahana miomana amin’ny kônfesy sy iarahana misaotra noho ny famelana azo. Eto, ny fieken’ny olona tsirairay …
  18. 1483 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Amin’ny toe-javatra mahalatsaka an-katerena dia azo atao ny midodododo ho amin’ny fankalazana iombonana amin’ny fampihavanana miaraka amin’ny kônfesy mitamba-be sy ny famotsorana mitamba-be . Mety hiseho ny mahalatsaka an-katerena raha misy loza …
  19. 1484 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana “Ny fikônfesen’ny tsirairay ny fahotana manontolo arahina famotsoran-keloka dia maharitra ho hany fomba fanao andavanandro izay amin’izany no ihavanan’ny mpino amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana, afa-tsy raha misy tsy fahazoa-manatanteraka ara-batana na ara-tsaina …
  20. 1485 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana “ Ny harivan’ny Paka, niseho tamin’ny apôstôliny i Jesoa Tompo, ary nilaza tamin’izy ireo hoe : " Raiso ny Fanahy Masina. Ireo izay havelanareo fahotana, dia ho voavela. Ireo izay ho tananareo …