Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina
Laharana 1475 amin’ny Katesizy
Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina, “misy àry eo amin’ny samy mpino – ireo izay manana ny tanindrazana any an-danitra, ireo izay voaray hanonitra ao amin’ny afofandiovana na ireo izay mbola mivahiny eto an-tany – fatoram-pitiavana maharitra sy fifanakalozana be dia be amin’ny haren-tsoa rehetra”[85]. Amin’ izany fifanakalozana mampitolagaga izany, ny fahamasinan’ny anankiray dia mahasoa ireo hafa, mihoatra lavitra noho ny fahavoazana izay ny fahotan’ny anankiray no nahatonga izany tamin’ny hafa. Amin’izany, ny fangataham-bonjy amin’ny fiombonan’ny olomasina no ahafahan’ny mpanota latsa-panenenana ho voadio haingana kokoa sy amim-pomba mandaitra kokoa amin’ny sazim-pahotana.