X. Ny endolzansy

Laharana 1471 amin’ny Katesizy

Ny fitambaram-pampianarana sy ny fampiasana ny endolzansy ao amin’ny Fiangonana dia mifamatotra mafy amin’ny vokatry ny sakramentan’ny Fivalozana.

“Ny endolzansy dia ny famelana eo anatrehan’Andriamanitra ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana  izay efa voafafa ny fahadisoana, famelana izay azon’ny mpino tsara toe-panahy araka ny fepetra maromaro voafaritra, amin’ny alalan’ny asan’ny Fiangonana, izay amin’ny maha-mpizarazara ny fanavotana azy, dia mizara sy mampihatra amin’ny alalan’ny fahefany ny raki-panoneran’i Kristy sy ny olomasina”[79].

“Ampahany na manontolo ny endolzansy, arakaraka ny anafahany ampahany na manontolo ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana”[80].  “Ny mpino rehetra dia afaka mahazo ny endolzansy ho an’ny tenany ihany na manome izany ho an’ireo nodimandry”[81].

Loharano ôfisialy ↗