Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1426 II. Nahoana no misy sakramentan’ny Fampihavanana aorian’ny Batemy ? Ny fiverenana amin’i Kristy, ny fahateraham-baovaon’ny Batemy, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny Vatana aman-dRan’i Kristy raisina ho sakafo, no mahatonga antsika “ho masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany” (Efez …
  2. 1427 III. Ny fibebahan’ny vita batemy Miantso ho amin’ny fibebahana i Jesoa. Io antso io dia ampahany tsy azo avela amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra : “Tonga ny fotoana ary akaiky tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa …
  3. 1428 III. Ny fibebahan’ny vita batemy Ny antson’i Kristy ho amin’ny fibebahana àry dia mitohy manako eo amin’ny fiainan’ny kristianina. Izany fibebahana fanindroany izany dia lahasa mitohy ho an’ny Fiangonana manontolo izay “misy mpanota ao anatiny” sy izay …
  4. 1429 III. Ny fibebahan’ny vita batemy Manaporofo izany ny fibebahan’i Md Piera taorian’ny fandavany intelo miantoana ny Mpampianany. Ny fijery tsy manam-petran’ny famindram-pon’i Jesoa no nahatonga ny ranomasom-panenenana [15] , ary, taorian’ny fitsanganan’ny Tompo ho velona, ny fankatoavana …
  5. 1430 IV. Ny fivalozana anaty Toy ny efa teo amin’ny mpaminany, ny antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana sy ho amin’ny fivalozana dia tsy mikendry ny tsanganasa ivelany aloha, “ny lasaka sy ny lavenona”, ny fifadian-kanina sy ny …
  6. 1431 IV. Ny fivalozana anaty Ny fivalozana anaty dia fampitodihana indray hatrany ifotony ny fiainana manontolo, fiverenana, fiovàna mankany amin’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo, fampitsaharana ny fahotana, fankahalana ny ratsy, miaraka amin’ny rikorikon’ny asa ratsy izay nataontsika. Miaraka …
  7. 1432 IV. Ny fivalozana anaty Donto sy mihamafy ny fon’ny olombelona. Ilaina ny hanomezan’ Andriamanitra fo vaovao ny olombelona [20] . Ny fibebahana aloha dia tsanganasan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay mamerina ny fontsika ao Aminy : “Ampivereno Aminao izahay, …
  8. 1433 IV. Ny fivalozana anaty Nanomboka tamin’ny Paka, dia ny Fanahy Masina no mampisafotofoto an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana [23] , izany hoe tsy nino an’Ilay izay nirahin’ny Ray izao tontolo izao. Kanefa io Fanahy io …
  9. 1434 V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina Misy fanehoana ety ivelany amin’ny fomba maro karazana tokoa ny fivalozana anaty ny kristianina. Fomba telo no tena antitranterin’ny Soratra Masina sy ny Aban’ny Fiangonana amin’izany : ny fifadian-kanina , ny fivavahana …
  10. 1435 V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina Eo amin’ny fiainana andavanandro no hisehoan’ny fanatanterahana ny fibebahana, amin’ny alalan’ny fihetsika mampihavana, amin’ny alalan’ny fiahiana ny mahantra, ny fanaovana sy ny fiarovana ny rariny sy ny hitsiny [28] amin’ny alalan’ny fiekem-pahadisoana …
  11. 1436 V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina Eokaristia sy fivalozana . Ao amin’ny Eokaristia no ahitan’ny fibebahana sy ny fivalozana isan’andro ny loharanon’izy ireo sy ny sakafon’izy ireo, satria ao aminy no maha-misy eo ny soron’i Kristy izay mampihavana …
  12. 1437 V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina Ny famakiana ny Soratra Masina, ny fanaovana ny Vavaka isan’Andro sy ny Rainay, ny asa marina rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana na ny fitiavam-bavaka, no mamelombelona ao amintsika ny toe-tsaim-pibebahana mbamin’ny fivalozana sy manampy …
  13. 1438 V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina Ny fotoana sy ny andron’ny fivalozana mandritra ny taona litorzika (ny fotoanan’ny karemy, isaky ny zomà ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo) no fotoan-dehibe anaovan’ny Fiangonana ny fivalozana [31] . Ireny fotoana ireny …
  14. 1439 V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina Nolazain’i Jesoa tamin’ny fomba mampitolagaga ao amin’ilay fanoharana antsoina hoe zanaka mpandany izay ny ray be famindram-po no ivo, ny fihetsi-pibebahana sy fivalozana [32] : ny faharenohana teo anoloan’ny fahafahana manodoka, ny …
  15. 1440 VI. Ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fampihavanana Ny fahotana aloha dia fanalam-baraka an’Andriamanitra, fahatapahan’ny fiombonana Aminy, ary koa mitera-pahavoazana eo amin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana. Izany no antony mahatonga ny fibebahana hanolotra indray miaraka ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy ny …
  16. 1441 Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana rehetra [34] . Satria i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra, koa dia Izy ihany no milaza ny amin’ny Tenany : “Ny Zanak’Olona manana fahefana ety an-tany hanafaka …
  17. 1442 Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana Sitrak’i Kristy raha ny Fiangonany manontolo, ao amin’ny fivavahany sy ny fiainany ary ny asa amam-pitondran-tenany, no ho famantarana sy fitaovan’ny famelan-keloka sy fampihavanana izay nampahazoany antsika noho ny rany. Nankininy tamin’ny …
  18. 1443 Fampihavanana amin’ny Fiangonana Nandritra ny fiainany ampahibemaso, tsy namela ny fahotana fotsiny i Jesoa, fa nampiseho koa ny vokatr’io famelana io : nampiditra indray ny mpanota voavela heloka ho ao amin’ny fiombonan’ny Vahoakan’ Andriamanitra Izy, …
  19. 1444 Fampihavanana amin’ny Fiangonana Tamin’ny nanomezan’ny Tompo ny anjara fahefan’ny Tenany manokana hamela ny fahotana, ho an’ny apôstôly, no nanomezany azy ireo koa ny fahefana hampihavana ny mpanota amin’ny Fiangonana. Izany halehiben’ ny lahasan’izy ireo momba …
  20. 1445 Fampihavanana amin’ny Fiangonana Ny teny hoe mamehy sy mamaha dia midika hoe : ilay izay horoahinareo tsy ho ao amin’ny fiombonanareo, dia ho voaroaka tsy ho ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra ; ilay izay horaisinareo indray …