V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina

Laharana 1436 amin’ny Katesizy

Eokaristia sy fivalozana. Ao amin’ny Eokaristia no ahitan’ny fibebahana sy ny fivalozana isan’andro ny loharanon’izy ireo sy ny sakafon’izy ireo, satria ao aminy no maha-misy eo ny soron’i Kristy izay mampihavana antsika amin’ Andriamanitra ; amin’ny alalany no velomina sy atanjahina ireo izay miaina ny fiainan’i Kristy ; “izy no fanefitra manafaka antsika amin’ny fahadisoantsika isan’andro sy miaro antsika tsy ho azon’ny fahotana mahafaty”[30].

Loharano ôfisialy ↗