Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 841 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny Silamo . “Ny fandaharam-pamonjena, dia natao hiarovana ihany koa ireo izay miaiky ny Mpahary, ka voalohany amin’izany ny silamo izay manambara ampahibemaso fa mitana ny finoan’i Abrahama, mitsaoka …
  2. 842 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Ny fifamatoran’ny Fiangonana amin’ireo antokom-pinoana tsy kristianina dia voalohany, ny an’ny fiandohana sy ny fiafarana iombonan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka : Satria, ny firenena rehetra dia mitambatra ho fiombonana tokana ihany ; …
  3. 843 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Fantatry ny Fiangonana ao amin’ireo antokom-pinoana hafa ny fikatsahana, “mbola manjavozavo sy amin’ny sary an’ohatra”, an’Andriamanitra tsy fantatra nefa akaiky noho Izy manome ho an’ny rehetra ny aina, ny fofon’ aina ary …
  4. 844 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Kanefa amin’ny fihetsika amam-pitondran-tena ara-pivavahan’izy ireo, ny olombelona dia mampiseho koa ny fetra sy ny fahadisoana izay manimba ao amin’izy ireo ny endrik’Andriamanitra : Matetika tokoa, noho izy voafitak’ilay mpisompatra, dia nivaona …
  5. 845 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Mba hanangona indray ny zanany rehetra izay naparitaky ny fahotana sy naniasia no nahatonga ny Ray hiantso ny olombelona rehetra ho ao amin’ny Fiangonan’ny Zanany. Ny Fiangonana no toerana tokony hahitan’ny olombelona …
  6. 846 “Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena” Ahoana no tokony handraisana io filazana marina miverimberina matetika teo am-bavan’ny Aban’ny Fiangonana io ? Raha lazaina mazava amin’ny fomba tsy misy isalasalana, dia midika fa ny famonjena rehetra ataon’ny Fiangonana izay …
  7. 847 “Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena” Io filazana marina io dia tsy mahakasika an’ireo izay tsy mahalala an’i Kristy sy ny Fiangonany, noho ny fahadisoana tsy avy amin’izy ireo : Satria, ireo izay tsy mahalala ny Vaovao Mahafalin’i …
  8. 848 “Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena” “Na dia afaka aza Andriamanitra, amin’ny lalana fantatr’Izy irery ihany, mitondra ireo olona tsy mahalala ny Vaovao Mahafaly, izay tsy fahadisoana ho azy ireo ny tsy fahalalana izany, ho amin’ny finoana izay …
  9. 849 Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana Ny fahefana maha-misiônera . “Ny Fiangonana, noho izy nirahin’ Andriamanitra ho amin’ny firenena rehetra mba ho sakramentam-pamonjena ny daholobe, sy noho ireo adidy manokana takìn’ny maha-katôlika azy sy amin’ny fanekena ny didin’ny …
  10. 850 Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana Ny fiandohana sy ny tanjon’ny fanirahana . Ny fara loharanon’ny fahefana maha-misiôneran’ny Tompo dia ao amin’ny fitiavana mandrakizain’ny Trinite Masina Indrindra : “Amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy, ny Fiangonana, mandritra ny fivahiniany …
  11. 851 Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana Ny anton’ny fanirahana . Avy amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra no nandraisan’ny Fiangonana lalandava ny adidy aman’ andraikitra sy ny herin’ny ezaka ataony amin’ny maha-misiônera : “Fa ny fitiavan’i Kristy …
  12. 852 Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana Ny lalan-kizorana amin’ny fanirahana . “Ny Fanahy Masina no tompon-draharaha voalohany amin’ny fanirahana rehetra sahanin’ny Fiangonana” [341] . Izy no mitondra ny Fiangonana amin’ny lalan-kizorana amin’ny fanirahana. Ny Fiangonana “no manohy sy …
  13. 853 Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana Kanefaamin’ny fivahiniany ny Fiangonana dia mahalala tamim-pahazarana koa ny “elanelana izay mampisaraka ny hafatra ambarany sy ny halemen’olombelona amin’ireo izay anankinana izany Vaovao Mahafaly izany” [344] . Koa tsy misy afa-tsy ny …
  14. 854 Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana Amin’ny fanirahana azy ihany “ny Fiangonana no miara-dalana amin’ny olombelona manontolo sy miara-mizaka ny anjara fiainana ara-nofon’izao tontolo izao ; toy ny lalivay izy, ary mova tsy aina mamelona ny fikambanan’ny olombelona …
  15. 855 Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana Ny fanirahana ny Fiangonana dia mila ezaka ho amin’ny firaisan’ny kristianina [355] . Satria, “ny fisaraham-bazana eo amin’ny samy kristianina dia misakana ny Fiangonana tsy hahatanteraka ny hafenoan’ny maha-katôlika, izay toetrany manokana …
  16. 856 Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana Ny lahasa maha-misiônera dia mila fifanakalozan-kevitra amim-panajana eo amin’ireo izay tsy mbola manaiky ny Vaovao Mahafaly [357] . Ny mpino dia afaka maka tombon-tsoa ho an’ny tenan’izy ireo ihany avy amin’io fifanakalozan-kevitra …
  17. 857 IV. Apôstôlika ny Fiangonana Apôstôlika ny Fiangonana satria naorina eo ambonin’ny apôstôly, ary mirakitra hevitra telo izany : - naorina ary mbola miorina hatrany eo “ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly” izy (Efez 2,20) [360] , dia ireo vavolombelona …
  18. 858 Ny fanirahana ny apôstôly Iraky ny Ray i Jesoa. Hatrany am-piandohan’ny raharaham-pamonjeny Izy no “niantso ireo izay tiany hantsoina hankeo Aminy, ary nanendry Roa ambin’ny folo lahy tamin’izany hiara-kitoetra Aminy sy hirahiny hitory teny” (Mk 3,13-14). …
  19. 859 Ny fanirahana ny apôstôly Nampiraisin’i Jesoa amin’ny fanirahana Azy noraisiny avy amin’ny Ray izy ireo : satria “tsy mahazo manao na inona na inona ho an’ny Tenany ihany ny Zanaka” (Jo 5,19.30) fa mandray ny zavatra …
  20. 860 Ny fanirahana ny apôstôly Amin’ireo fiadidian’ny apôstôly, dia misy sehon-javatra iray tsy mety ampitaina : ny nifidianana azy ireo ho vavolombelon’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona sy ho vato fototry ny Fiangonana. Kanefa misy koa ny sehon-javatra …