Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana
Laharana 854 amin’ny Katesizy
Amin’ny fanirahana azy ihany “ny Fiangonana no miara-dalana amin’ny olombelona manontolo sy miara-mizaka ny anjara fiainana ara-nofon’izao tontolo izao ; toy ny lalivay izy, ary mova tsy aina mamelona ny fikambanan’ny olombelona antsoina hihavao ao amin’i Kristy sy hiova ho fianakavian’Andriamanitra”[349]. Ny ezaka amin’ny maha-misiônera izany, dia mitaky faharetana. Manomboka amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny vahoaka sy amin’ireo vondron’olona izay tsy mbola mino an’i Kristy izany[350] ; avy eo mitohy amin’ny fananganana ankohonana kristianina, izay tokony ho “famantarana ny maha-eo amin’izao tontolo izao an’ Andriamanitra”[351], sy amin’ny fanorenana ny Fiangonana eo an-toerana[352] ; mampiditra ny fizotran’ny fampanaraham-bolon-tany ny kolontsaina, mba hahatonga nofo ny Vaovao Mahafaly ao amin’ireo kolontsaim-pirenena[353] ; tsy tokony ho hadinoina ny mahatsapa koa ny tsy fahombiazana. “Ny amin’izay mikasika ny olombelona, ny vondron’olona ary ny vahoaka, dia miandalana no ahatratran’ny Fiangonana azy ireo sy ahatafidirany ao amin’izy ireo, ary izakany ao aminy azy ireo araka izany, ho katôlika tanteraka”[354].