Fanambaràna miandalana ny Fitsanganan-ko velona

Laharana 995 amin’ny Katesizy

Ny hoe vavolombelon’i Kristy, dia “vavolombelon’ny Fitsanganany ho velona” (Asa 1,22)[26], “nihinana sy nisotro niaraka Taminy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty” (Asa 10,41). Ny fanantenana kristianina ny amin’ny fitsanganan-ko velona dia voamarika indrindra tamin’ireo fihaonana tamin’i Kristy nitsangan-ko velona. Hitsangan-ko velona toa Azy, miaraka Aminy, amin’ny Alalany, isika.

Loharano ôfisialy ↗