Fanambaràna miandalana ny Fitsanganan-ko velona

Laharana 994 amin’ny Katesizy

Fa fanampin’izany : Ampiraisin’i Jesoa amin’ny Tenany mihitsy ny finoana ny fitsanganan-ko velona : “Izaho no Fananganan-ko velona sy fiainana” (Jo 11,25). Ny Tenan’i  Jesoa ihany no hanangana ho velona amin’ny farandro an’ireo izay hino Azy[20] sy izay hihinana ny nofony sy hisotro ny rany[21]. Nanomboka hatreo, nanome famantarana sy antoka amin’izany Izy tamin’ny famelomana ny maty sasantsasany[22], ilazana avy amin’izany ny Fitsanganan’ ny tenany ho velona izay ho amin’ny fomba hafa anefa. Ho amin’io zava-niseho tokana aman-tany io, no nitenenany ny famantarana ny amin’i Jônasa[23], ny famantarana ny amin’ny Tempoly[24] : Manambara ny Fitsanganany ho velona amin’ny andro fahatelo, aorian’ny famonoana Azy ho faty Izy[25].

Loharano ôfisialy ↗