Fanambaràna miandalana ny Fitsanganan-ko velona

Laharana 996 amin’ny Katesizy

Hatrany am-piandohana, ny finoana kristianina ny amin’ny fitsanganan-ko velona dia tojon’ny tsy fahatakarana an-tsaina sy fanoherana[27]. “Tsy misy na iray aza eo amin’ny lafiny finoana kristianina tojon’ny fanoheran-kevitra afa-tsy ny amin’ny fitsanganan’ny nofo ho velona”[28]. Ekena tokoa amin’ny ankapobeny fa aorian’ny fahafatesana, ny fiainan’ny olombelona dia mitohy amin’ny endrika ara-panahy. Kanefa ahoana no inoana fa ity vatana miharihary fa mety maty ity dia ho afaka hitsangan-ko velona ho amin’ny fiainana mandrakizay ?

Loharano ôfisialy ↗