“Nataon’Andriamanitra ho otantsika Izy”

Laharana 602 amin’ny Katesizy

Vokatr’izany, afaka nandrafitra tamin’ny rijan-teny izao finoana apôstôlika momba ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra izao i Piera : “Navotana ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana ianareo, tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, efa voatendry talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao, sy naseho tamin’izao andro farany izao, noho ny aminareo” (1 Pi 1,18-20). Ny tambin’ny fahotana nataon’ny olombelona, avy amin’ny fahotana tamin’ny fototra, dia ny fahafatesana[443]. Tamin’ny nanirahany ny Zanany naka ny fomban’ny mpanompo[444], dia ny an’ny olombelona voaongana sy voatokana ho faty noho ny fahotana[445], no “nanaovan’Andriamanitra Azy ho otantsika, Ilay tsy nahalala ota, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy isika” (2 Kôr 5,21).

Loharano ôfisialy ↗