“Nataon’Andriamanitra ho otantsika Izy”

Laharana 603 amin’ny Katesizy

Tsy nahalala ny fanomezan-tsiny i Jesoa noho ny Tenany mihitsy natao ota[446]. Kanefa tao anatin’ny fitiavam-panavotana izay nampiray Azy lalandava tamin’ny Ray[447], no nizakany antsika tao Aminy tamin’ny faniasiavana noho ny fahotantsika tamin’Andriamanitra ka nahatonga Azy afaka niteny tamin’ny anarantsika teo amin’ny Hazofijaliana hoe : “Ry Andriamanitro ô ! Ry Andriamanitro ô ! nahoana no dia nilaozanao Aho ?” (Mk 15,34)[448]. Toy izany koa, noho Izy tonga miombona amintsika mpanota, dia “tsy nandala ny Zanany Andriamanitra, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra” (Rôm 8,32) mba “ho tafahavana Aminy noho ny nahafatesan’ny Zanany isika” (Rôm 5,10).

Loharano ôfisialy ↗