“Maty noho fahotantsika, araka ny Soratra Masina”

Laharana 601 amin’ny Katesizy

Izany fandaharam-pamonjen’Andriamanitra tamin’ny famelana ho faty ny Mpanompo, ilay Marina izany[435], dia nambara mialoha ao amin’ny Soratra Masina ho misterin’ny fanavotana manenika an’izao tontolo izao, izany hoe fanavotana izay manafaka ny olombelona amin’ny fanandevozan’ny fahotana[436]. Nambaran’i Md Paoly tamin’ny fiekem-pinoana, nolazainy ho noraisiny[437], fa “maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina” (1 Kôr 15,3)[438]. Ny fahafatesam-panavotan’i Jesoa dia nanatanteraka manokana ny faminaniana an’ilay Mpanompo nijaly[439]. Ny Tenan’i Jesoa rahateo ihany no nanome ny dikan’ny fiainany sy ny fahafatesany araka an’ilay Mpanompo nijaly[440]. Taorian’ny Fitsanganany ho velona, nomeny an’ireo mpianatra nankany Emaosy izany fanazavan-kevitry ny Soratra Masina izany[441], avy eo tamin’ny tenan’ireo apôstôly mihitsy koa[442].

Loharano ôfisialy ↗