“Natolotra araka ny fandaharana tsy miovaova an’Andriamanitra i Jesoa”
Laharana 600 amin’ny Katesizy
Amin’Andriamanitra, ny fotoana rehetra amin’ny andro dia miseho amin’ ny ankehitrinin’izy ireny avokoa. Naoriny àry ny fandaharany mandrakizay momba ny “tendry mialoha”, amin’ny fampidirana ao amin’izany ny valin-teny an-kalalahana ny olona tsirairay araka ny sitrany : “Eny tokoa, efa nikaon-doha marina teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny jentily mbamin’ny vahoaka Israely[432], hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao, ka tamin’izany no nanatanterahan’izy ireo izay efa notendrenao mialoha rahateo, tamin’ny herinao sy ny fahendrenao” (Asa 4,27-28). Navelan’Andriamanitra ny asa avy amin’ny fahajamban’izy ireo[433], mba hahatontosa ny fandaharam-pamonjeny[434].