Paragrafy 1. Jesoa sy Israely

Laharana 575 amin’ny Katesizy

Betsaka tokoa izany ny asa sy ny tenin’i Jesoa  no “famantarana hotoherina”[340], ho an’ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema, izay antsoin’ny Evanjelin’i Md Joany matetika hoe “ny Jody”[341], ary vao mainka ho an’ny fiombonamben’ny Vahoakan’Andriamanitra[342]. Marina fa  ny fifandraisany tamin’ny Farisianina tsy dia hoe fifandiran-kevitra fotsiny akory. Fa Farisianina no nampandre Azy rahefa nisy loza nananontanona[343]. Derain’i Jesoa ny sasany tamin’izy ireo, toy ilay mpahay lalàna voalazan’i Mk 12,34, ary imbetsaka nisakafo tany amin’ny Farisianina Izy[344]. Namarinin’i Jesoa ny tena hevitry ny fitambaram-pampianarana niombonan’ireo sangan’olona ara-pivavahana teo amin’ny Vahoakan’Andriamanitra : ny fitsanganan’ ny maty ho velona[345], ny endriky ny fitiavana aseho an’asa (fiantrana, fifadian-kanina ary fivavahana)[346] sy ny fahazarana miteny amin’Andriamanitra ho toy ny Ray, ny votoaty mampiavaka ny didim-pitiavana an’Andriamanitra sy ny namana[347].

Loharano ôfisialy ↗