Paragrafy 1. Jesoa sy Israely

Laharana 574 amin’ny Katesizy

Vao nanomboka ny raharaham-pamonjena ampahibemaso i Jesoa, dia efa niray tsikombakomba amin’izay hahavoazana Azy ny Farisianina sy ny mpomba an’i Herôda, niaraka tamin’ny mpisorona sy ny mpahay lalàna[330]. Tamin’ireo asa sasantsasany nataony (fandroahana demony[331], famelana ny fahotana[332], fanasitranana amin’ny andro sabata[333], fanazavana hafahafa momba ireo fitsipiky ny fahadiovana voalazan’ny Lalàna[334] ; fifankahazoana amin’ny poblikanina sy ny mpanota fanta-poko fanta-pirenena[335]), dia noheverin’ny sasany ratsy eritreritra, fa misy demony i Jesoa[336]. Fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra[337] sy faminaniana sandoka[338] no niampangana Azy, izay heloka bevava ara-pivavahana, ka fanamelohana ho faty amin’ny fitoraham-bato no sazy ahatran’ny Lalàna amin’izany[339].

Loharano ôfisialy ↗