Paragrafy 1. Jesoa sy Israely

Laharana 576 amin’ny Katesizy

I Jesoa, teo imason’ny maro tao Israely, dia toa manao asa amam-pihetsika  manohitra ny fototry iorenan’ny Vahoaka voafidy :
- ny fankatoavana ny Lalàna mirakitra manontolo ireny didiny voasoratra ireny, ary ho an’ny Farisianina dia ny fankatoavana ny fanazavana ny lovantsofina nampitaina am-bava;
- ny maha-ivon-toerana ny Tempolin’i Jerosalema, noho izy toerana masina izay onenan’Andriamanitra amin’ny fomba manokana;
- ny finoana an’Andriamanitra tokana izay tsy misy na iza na iza mitovy voninahitra Aminy.

Loharano ôfisialy ↗