“Nijaly i Jesoa faha-Pôntsy Pilaty, nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana, maty dia nalevina”
Laharana 573 amin’ny Katesizy
Koa, azon’ny finoana atao ny miezaka manadihady ireo toe-javatra niseho momba ny nahafatesan’i Jesoa, ampitain’ny Evanjely araka ny tena izy[329] ary hazavain’ny loharanon-tantara hafa, mba hahazoan’ny saina tsaratsara kokoa ny hevitra raketin’ny Fanavotana.