Ny fidirana maha-Mesia an’i Jesoa tao Jerosalema
Laharana 562 amin’ny Katesizy
Tsy maintsy maka tahaka an’i Kristy ny mpianany, mandra-pahary an’i Kristy ao anatin’izy ireo[323]. “Noho izany, voakambana ao amin’ny misterin’ ny fiainany isika, mitovy endrika Aminy, tafaray amin’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona, eo am-piandrasana ny fahatanterahan’izany any amin’ny Fanjakany”[324].