III. Zanaka Lahitokan’Andriamanitra

Laharana 441 amin’ny Katesizy

Ny hoe Zanak’Andriamanitra, ao amin’ny Testamenta Taloha, dia anaram-boninahitra nomena ny anjely[42], ny vahoaka Voafidy[43], ny zanak’i Israely[44] ary ny mpanjakan’izy ireo[45]. Midika izany fa zanaka atsangana, izay miorina amin’ny fifandraisana ao anatin’ny fisakaizana lalina manokana eo amin’ Andriamanitra sy ny zavaboariny. Koa rahefa tenenina hoe “zanak’ Andriamanitra”[46], ilay Mpanjaka-Mesia nampanantenaina, dia tsy voatery hidika fa mety mihoatra noho ny olombelona, araka ny hevitra ara-bakitenin’ io teny io. Ireo izay niteny an’i Jesoa toy izany araka ny maha-Mesian’i Israely[47] Azy, dia mety tsy te hilaza Azy ho olona ambony tokoa[48].

Loharano ôfisialy ↗