II. Kristy

Laharana 440 amin’ny Katesizy

Noraisin’i Jesoa ny fiekem-pinoan’i Piera izay nahafantatra Azy ho Mesia, tamin’ny nilazany ny fijaliana tsy ho ela hanjo ny Zanak’olona[38]. Naborany ny tena votoatin’ny fiandrianana maha-Mpanjaka ny Mesia, izay sady ao amin’ ny maha-Zanak’Olona Azy ambony tsy taka-polopolorina “izay nidina avy tany an-danitra” (Jo 3,13)[39], no ao amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy isehoany ho Mpanompo mijaly : “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt 20,28)[40]. Noho izany, ny tena hevitra fonosin’ny fiandrianana maha-Mpanjaka Azy, dia tsy niseho raha tsy teo amin’ny Hazofijaliana[41]. Koa aorian’ny Fitsanganany ho velona ihany vao ho afaka ambaran’i Piera eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra ny fiandrianana maha-Mesia Mpanjaka Azy : “Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy” (Asa 2,36).

Loharano ôfisialy ↗