III. Zanaka Lahitokan’Andriamanitra
Laharana 442 amin’ny Katesizy
Tsy mitovy amin’izany ny an’i Piera raha niaiky izy fa i Jesoa no “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Mt 16,16), satria novalian’i Jesoa tamin’ny fomba manetriketrika hoe : “Tsy avy amin’ny nofo aman-dra no nahatonga izany fanambaràna izany tao aminao, fa avy amin’ny Raiko izay any an-danitra” (Mt 16,17). Raha ampitoviana, izao no holazain’i Paoly ny amin’ny fibebahany teny an-dalana ho any Damasa : “Nony sitrak’Andriamanitra Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny hanambara ao anatiko ny Zanany, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily…” (Gal 1,15-16). “Teo no eo ihany dia nankao amin’ny sinagôga izy nitory an’i Jesoa, tamin’ny fanaovana antso avo fa Izy no Zanak’Andriamanitra” (Asa 9,20). Hatrany am-piandohana[49], izany no ho votoatin’ny finoana apôstôlika[50] ambaran’i Piera ampahibemaso aloha, ho fototra iorenan’ny Fiangonana[51].