II. Kristy

Laharana 439 amin’ny Katesizy

Betsaka ny Jody sy ny sasantsasany tamin’ny jentily, izay nizara ny fanantenan’izy ireo, no nahafantatra tao amin’i Jesoa ny toetra fototra an’ilay Mesia “zanak’i Davida”, nampanantenain’Andriamanitra an’i Israely[34]. Neken’i Jesoa izany anaram-boninahitra hoe Mesia izany, izay ananany zo rahateo[35], saingy nasiany fepetra ihany, satria mesia araka ny fisainana maha-olombelona loatra[36], sady ara-pôlitika tokoa[37] no niheveran’ireo olona sasantsasany niara-belona Taminy, ny maha-mesia Azy.

Loharano ôfisialy ↗