Ny voaloham-pahotan’ny olombelona
Laharana 398 amin’ny Katesizy
Tamin’io fahotana io, ny tenan’izy olombelona no tiany kokoa noho Andriamanitra, ka nanebaka an’Andriamanitra tamin’izany izy : avy amin’ ny tenany ihany no nahatonga azy hisafidy hanohitra an’Andriamanitra sy hanohitra ny adidin’ny maha-zavaboary azy, hany ka notoheriny hatramin’ny soa ho an’ny tenany. Natokan’Andriamanitra ho “tahaka Azy masina” tanteraka ao anatin’ny voninahiny ny olombelona, noho izy noforoniny tao anatin’ny toe-pahamasinana. Naniry “te hitovy amin’Andriamanitra”[289] anefa izy, tamin’ny alalan’ny fanangolen’ny devoly, saingy “tsy Andriamanitra, fa niseho ho Andriamanitra, ka tsy araka an’Andriamanitra”[290].