Ny voaloham-pahotan’ny olombelona
Laharana 397 amin’ny Katesizy
Namela ho faty tao am-pony ny fitokiana ny Mpahary azy, ny olombelona nalain’ny devoly fanahy[287], ka tsy nankato ny didin’Andriamanitra, tamin’ny fanararaotan-dratsy ny fahafahany. Avy amin’izany no niforonan’ny fahotana voalohan’ny olombelona[288]. Ny fahotana rehetra aty aoriana, dia ho tsy fanekena an’Andriamanitra sy ho tsy fahampiam-pitokiana ny hatsaram-panahiny.