Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!”
Laharana 2759 amin’ny Katesizy
“Indray andro, tao amin’ny toerana iray, nivavaka i Jesoa. Rahefa nitsahatra Izy, dia hoy ny iray tamin’ireo mpianany nangataka Taminy : "Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany"” (Lk 11,1). Ho valin’izany fangatahana izany no nanankinan’ny Tompo tamin’ny mpianany sy tamin’ny Fiangonany ny vavaka fototra kristianina. Lahatsoratra fohy (misy fangatahana dimy[1]) no atolotr’i Md Lioka ny amin’izany, ary i Md Matio kosa dia manolotra fomba filaza voavelabelatra kokoa (misy fangatahana fito[2]). Ny lahatsoratr’i Md Matio no notanan’ny lovam-pampianarana ho fanao amin’ny litorzian’ny Fiangonana (Mt 6,9-13).