Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!”

Laharana 2760 amin’ny Katesizy

Vetivety ihany ny fanao ara-litorzia dia namarana ny Vavaky ny Tompo tamin’ny tenim-boninahitra. Toy izao ny ao amin’ny Didaché : “Fa Anao ny hery sy ny voninahitra mandrakizay”[3]. Ny lalàm-panorenana apôstôlika dia nanampy eo am-panombohana hoe : “ny fanjakana”[4], ary izany no rijan-teny notanana amin’izao androntsika izao amin’ny fivavahana momba ny firaisam-pinoana. Ny lovam-panahy bizantinina dia nanampy, aorian’ny hoe voninahitra, hoe “Ray, Zanaka sy Fanahy Masina”. Ny bokin-damesa rômanina dia mamelabelatra ny fangatahana farany[5] eo am-piandrasana ny hasambarana nampanantenaina[6], sy ny Fiavian’i Jesoa-Kristy Tompontsika, vao manaraka ny fihobian’ny mpiangona na ny famerenana ny tenim-boninahitra avy amin’ny lalàm-panorenana apôstôlika.

Loharano ôfisialy ↗