II. Ny vavaka fangatahana
Laharana 2632 amin’ny Katesizy
Ny fangatahana kristianina dia miompana amin’ny faniriana sy ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra izay ho tonga, araka ny fampianaran’i Jesoa[111]. Misy ambaratonga amin’ireo fangatahana : voalohany, ny Fanjakan’Andriamanitra, manaraka izany, izay ilaina mba handraisana azy sy mba hiarahana miasa amin’ny fahatongavany. Izany fiaraha-miasa amin’ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina izany, izay fanirahana ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, no fototry ny fivavahan’ny fiombonam-piangonana apôstôlika[112]. Ny vavak’i Paoly, ilay apôstôly ambony dia ambony, no mampiseho amintsika ny fomba tokony hanentanan’ny fiahian’Andriamanitra ny Fiangonana manontolo ny fivavahana kristianina[113] Ny vita batemy rehetra, amin’ny alalan’ny fivavahana, dia miasa avokoa ho amin’ny Fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.