II. Ny vavaka fangatahana
Laharana 2631 amin’ny Katesizy
Ny fangataham-pamelana no fihetsika voalohany amin’ny vavaka fangatahana (jereo ilay poblikanina : “Mamindrà fo amiko fa mpanota aho”, Lk 18,13). Izy no mialoha amin’ny vavaka marina sy madio tsy misy fahony. Ny fanetren-tena ombam-pitokiana no mamerina antsika ao amin’ny fahazavan’ny fiombonana amin’ny Ray sy i Jesoa-Kristy Zanany, ary amintsika samy isika[110] : koa, “na inona na inona angatahintsika Aminy dia ho azontsika avy Aminy izany” (1 Jo 3,22). Ny fangataham-pamelana no atao voalohany amin’ny litorzia eokaristika, ho toy ny vavaka irery.