II. Ny vavaka fangatahana
Laharana 2633 amin’ny Katesizy
Rahefa mandray anjara toy izany amin’ny fitiavana mahavonjy avy amin’ Andriamanitra, dia mahazo an-tsaina fa ny filana rehetra dia mety hanjary fototry ny fangatahana. I Kristy izay nizaka tao Aminy ny zavatra rehetra mba hanavotana ny zavatra rehetra no omem-boninahitra amin’ny alalan’ny fangatahana izay atolotsika ny Ray amin’ny Anarany[114]. Amin’izany fahazoan-toky izany no amporisihan’i Jakôba[115] sy Paoly antsika hivavaka amin’ny fotoana rehetra[116].