III. Ny fanekena hivady

Laharana 1625 amin’ny Katesizy

Ny tompon-draharaha voalohan’ny fifanekena ara-panambadiana dia lehilahy iray sy vehivavy iray samy vita batemy, afaka mifanambady ary manambara amin-kalalahana ny faneken’izy ireo. Ny hoe “malalaka” dia midika hoe :
- tsy iharan’ny faneriterena ;
- tsy misy sampona araka  ny lalàna voa-Janahary na lalàm-piangonana.

Loharano ôfisialy ↗