II. Ny fankalazana amin’ny fanambadiana

Laharana 1624 amin’ny Katesizy

Ny litorzia samihafa dia manankarena vavaka fitsofan-drano sy epikilezy angatahina amin’Andriamanitra ny fahasoavany sy ny tsodrano ho an’ny mpivady vao, indrindra ho an-dravehivavy. Amin’ny epikilezin’ity sakramenta ity no andraisan’izy mivady ny Fanahy Masina mampiray amin’ny fiombonam-pitiavan’i Kristy sy ny Fiangonana[140]. Ny Fanahy Masina no fitomboky ny fifaneken’izy ireo, loharanom-pitiavan’izy ireo  ifanolorany lalandava, hery izay hihavaozan’ny tsy fivadihan’izy ireo.

Loharano ôfisialy ↗