“Sitrano ny marary…”
Laharana 1506 amin’ny Katesizy
Asain’i Kristy hanaraka Azy ny mpianany amin’ny fitondran’izy ireo ny Hazofijalian’izy ireo[112]. Amin’ny fanarahana Azy, nahazo fijery vaovao momba ny aretina sy ny marary izy ireo. Nampiraisin’i Jesoa tamin’ny fiainany mahantra sy mpanompo izy ireo. Nampandraisany anjara amin’ny andraiki-panompoan’ny fangorahany sy ny fanasitranany izy ireo : “Nandeha izy ireo ka nitory fa tsy maintsy mibebaka ny olona ; ary nandroaka demony maro izy ireo, sy nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy ireo” (Mk 6,12-13).