I Kristy-mpitsabo

Laharana 1505 amin’ny Katesizy

Tohina noho ny fijaliana maro i Kristy, ka tsy nanaiky fotsiny hokasihin’ ny marary, fa noraisiny ho Azy ny fahorian’izy ireo : “Naka ny rofintsika Izy sy nitondra ny aretintsika” (Mt 8,17)[110]. Tsy izay marary rehetra dia nositraniny avokoa. Ireo fanasitranany dia famantarana ny fahatongavan’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Manambara fanasitranana hatrany ifotony ireny : ny fandresena ny fahotana sy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Pakany. Teo amin’ny Hazofijaliana no nandraisan’i Kristy tao Aminy ny vesatra manontolo ny ratsy[111] sy nanalany “ny fahotan’izao tontolo izao” (Jo 1,29), ka ny aretina dia tsy inona fa vokany ihany. Tamin’ny alalan’ ny fijaliany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazofijaliana i Kristy no nanome dikany vaovao ny fijaliana : nanomboka teo afaka mampifanahaka antsika Aminy sy manakambana antsika amin’ny fijaliam-panavotany izany.

Loharano ôfisialy ↗